Nankalazaina omaly 9 desambra 2022 ny Andro iraisam-pirenena ny ady amin’ny kolikoly. Nanentana sy nanamafy izany ady izany ny CSI * ho fantatry ny rehetra ka nanokana famelabelaran-kevitra amina lohahevitra « ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona ». Noresahina : ady tany eny amin’ny fitsarana, nataon-dRtoa Rakotobe Nelly, mpitsara ; momba ny fitsarana, nentin’i Tombohavana Fabien, ao amin’ ny minisiteran’ny Fitsarana ; ny fahitan’ny firaisamonim-pirenena ny fiaraha-monina malagasy, notaterin’i Tsimihipa Andriamahazarivo ; ary ny tontolon’ny zandarimaria, fakafakain’ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra.
Fantatra tamin’izany, fa ny ady tany no be indrindra amin’ny ady madio sy itoeran’ny fisolokiana betsaka hatrany amin’ny 80% . Mbola hafa ny ady tany any amin’ny faritra hafa. Betsaka ny mpanararaotra sy mpisoloky eny amin’ny fitsarana, fa be ihany koa ny tsy fahalalana ny lalàna momba ny fananan-tany. Ny olana, maro amin’ny Malagasy tsy mahafantatra lalàna koa araraotin’ny sasany. « Eo no mila fahalalana ny tompon-tany afahafana miaro ny taniny”, hoy Rakotobe Nelly.
Olana momba ny tany ihany, 1/3 ny kaominina miisa 1600 manerana ny Nosy no manana Birao momba ny fananan-tany. Fehiny : amin’ny ankapobeny ny tsy fahafantaran’ny olona ny zony, eny anivon’ny fitsarana na zandarimaria.
Hahay hiaro ny zony
Tamin’ity taona ity, nosafidian’ny CSI ny ady amin’ny kolikoly mifototra amin’ny fanajana ny zon’olombelona. Miara-mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ny ady amin’ny kolikoly ny tany Morondava. Solontenan’ny CSI maro tonga tany an-toerana nanentana ny rehetra hahay hiaro ny zony eo anatrehan’ny tompon’andraikitra.
Miara-mivory ny ARAI *, Fakàna ny fananana tsy azo amin’ny rariny, sy ny CSI, ny 5 hatramin’ny 9 desambra 2022 tany Abidjan. Fiaraha-miasan’ny CSI ihany koa amin’ny GIZ sy ny PNUD. Manohana ny CSI ny Usaid, mandray anjara amin’ny fivoriana any Washington, ny 6 hatramin’ny 10 desambra 2022 izao.
Ndrina
CSI *: Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité
ARAI * : Agence du Recouvrement des Avoirs Illicites