Ady amin’ny kolikoly : nankalazaina ny Andro iraisam-pirenenana

Anisan’ny hetsika tafiditra anatin’ny velirano faha­telo napetrak’Andriamatoa Rajoe­lina Andry, Filohan’ny Re­poblikan’i Madagasikara, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ton­ga ni­tarika ny fankalazana ny faha 20 taonan’izany hetsika izany, i Mahatante Pau­bert, minisitry ny Jono sy ny Toe-karena manga (MPEB),teny Ampan­dri­nom­by, omaly. To­ga na­natrika izany koa ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filo­han’ny Repoblika eto amintsika, ary ireo tompon’ andraikitra isan-tsokajiny, eny anivon’ny ministera.
Izao dia natao hiadiana ny kolikoly misy eto amintsika, ary mitondra ny lohahevitra hoe « Isika miaraka mandresy ny kolikoly ».
Tsiahivina fa, mbola hisy ny fampahafatarana arahina fanentanana maro mahakasika ny kolikoly sy ny ady hiadiana amin’izany, izay tarihin’ny eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly mandritra ity fankalazana ity.

Fitia
(Mpianatra Asa)

Partager sur: