Concert de midi: hisantatra ny seho Krismasy ny Hiraitra

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny kaonseritra klasika karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Ha­natanteraka seho lehibe, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely ny « Ensemble vocal Hirai­tra ». Fampisehoana hotontosaina ny 20 desambra izao, manomboka 1 ora tolakandro, hitondran’izy ireo eny an-tsehatra ny « International Carol suites » narindran’i Mark Hayes. Antsa hanehoan’ny Hiraitra iny fiderana ny halehiben’ny voninahitr’Andria­manitra, indrindra amin’izao vanim-potoana hanamarihana ny krismasy izao. I Domini­que Rakotonirina no hitarika ny fiarahana, i Antsa Ratsim­ba kosa no hanaraka amin’ny piano.
Andiany faha-134 amin’ny « Concert classique de midi » ity hotanterahin’ny Hiraitra ity. Hanasongadinan’ izy ireo ny fahaizana mampiara-peo sy fandrindrana izany miaraka amin’ny zavamaneno. Anisan’ny mampiavaka ireto andiana mpihira ireto rahateo ny fifehezan’ny tsirairay ny feo ananany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: