“Aoka isika tsy hikorontana… Ilaina ny fitoniana. Aleo handeha ny fampandrosoana”, hoy ny depiote, voafidy tao Farafangana, Raheriharijaona Regina Clarisse, omaly tetsy Anosy. Nohitsiny fa tsy anisan’ireo nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny tenany. Safidy io ary tsy ifanomezany tsiny amin’ireo namany. Na izany aza, anisan’ny mamaritra ny fitoniana eto amin’ny firenana ny Antenimierampirenena.
Niaiky ny tenany fa fahefan’ny depiote tokoa ny mitsipaka ny governemanta. Tsy fotoan’izany anefa izao, araka ny nambarany. Nanteriny fa anjaran’ny lehiben’ny mpanatanteraka ny mijery ny fomba fiasan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsarain’ny depiote koa anefa izy ireo. “Misy ny tena miasa ary eo koa angamba ireo tsy mahavita ny andraikiny”, hoy ihany izy.
Nitsangana ny avy any faritanin’i Fianarantsoa
Nambarany fa misy pitsopitsony sy lalàna ny firosoanan amin’izany fitsipahana ny governemanta izany. Tsiahivina fa hanao fanambarana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ny alatsinainy izao. Hitondra ny heviny manoloana iny fitsipaha-pitokisana iny sy ny mety fepetra horaisiny na hametra-pialana ny tenany na tsia.
Etsy andaniny, nanao fanambarana ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi) ary nanameloka ny fanivaivana ny filohan’ny Antenimiera.
Synèse R.