Saika ahitana olana avokoa manerana ny faritra maro, ary anisan’ny tena fototry ny olana ny famoahana didim-pitsarana. Eo koa mikasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany, toy ny sata mifehy ny tany navelan’ny mpanjanantany, izay tokony efa miverina amin’ny fanjakana ary hisitrahan’ny mponina nanajary.
Mahatsapa ny fikambanana Sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany (Sif), fa misedra olana ny vahoaka malagasy amin’ny lafiny fananan-tany. Naneho hevitra izy, omaly, niaraka tamin’ireo fokonolona avy any amin’ny faritra maro, tratry ny tsindry hazo lena.
Nasongadin’ny Sekretera mpanatanteraka (S.E), ny Sif, Raparison Eric, ny raharaha mampifanolana an’i G. sy i M. eny amin’ny fitsarana, tany iray mirefy maherin’ny 2 ha, eny Mandrosoa Tsarafara Ivato, efa tato anatin’ny 26 taona. Taorian’ny dingana ara-pitsarana samihafa, nivoaka ny Fahefana ho tombontsoan’ny lalàna, na « Pouvoir dans l’intérêt de la loi » (PIL), araka ny didim-pitsarana « arrêt lah.703 », hamerenana ny tany amin’i G., saingy tsy natao hatramin’izao. Tsy tokony haverina any amin’ny fitsarana ambony intsony ny didy PIL. Ny mahavariana, misy mpitsara efa nandray ny raharaha tao anatin’ny dingana ara-pitsarana, ary mbola ao ihany, aty aoriana, nefa tsy azo atao izany. Misy ny tambajotra amin’ny raharaha fananantany, saingy mahafantatra izahay Sif, fa maro ny tompon’andraikitra te hanao ny tsara, ny ao amin’ny fitsarana, ny sampandraharahan’ny fananantany, sns, ka apetraka amin’ny fahendren’izy ireo. ». Handeha fitsarana amin’ny alatsinainy izao ity raharaha ity.
Tsy tanterahina
ny didim-pitsarana
Eny Antaniavo Antohomadinika, mitantara i R. fa misy tany azy ireo, misy titra, misoratra amin’ny renibeny. Tamin’ny taona 2003 (19 taona lasa), nisy olona X nipoitra avy eo, milaza fa manana taratasy fandovana tsy mazava, ahafahany mitompo ny tany, ary nametraka borna. Namidiny tamin’i Y ny tany, ary nivarotra izany tamin’i Z indray ity farany. Tsy hita intsony i Y, taty aoriana, ary foana ilay titra, ka nivoaka ny didy raikitra farany (grosse) avy amin’ny fitsarana fa averina amin’ny tompony voalohany, i R., ny tany ary foanana ny fifampivarotana any amin’ny fananan-tany. Tsy tanterahin’ny sampana fananan-tany anefa io didy io.
Eo koa ny tany eny Laniera, ampahan-tany 12. Nahafahan’ izy ireo nanajary ny tany ny didy hitsivolana tamin’ny taona 1962. Anisan’ny voasoritra ao anatin’ny bokin’andraikitra, fa afaka mividy ny tany izay nanajary ny tany nandritra ny 15 taona. Tsy tanteraka izany hatramin’izao.
Tokony hisitrahan’ny Malagasy mpanajary
Ankoatra ireo ny tany navelan’ny mpanjanaka nefa tsy nohajariany intsony taty aoriana. Isan’izany ny any Soavinandriana Itasy. Nilaza R.C., fa noroahina teo amin’ny tany amboleny izy ireo, tany mirefy 569 ha, nambolen’ny mpanjanaka voanjo sy bakoly fanaovana menaka tany aloha. Nanajary namboly ny fokonolona rehefa lasa ny vazaha, ary fokontany fito no efa nitsangana. Taty aoriana, nisy olona, tompon’andraikitra fony repoblika faharoa, nilaza fa nividy ny taona 1988. Niakatra fitsarana ny raharaha, nanome fankatoavana (avis favorable) ny fokonolona ny prefektiora. Nilaza ny fitsarana Miarinarivo, fa « tsy afaka hitsara ny raharaha », ka tsy nety namoaka didy. Niakatra fitsarana ambony, ary resy ny fokonolona ka noroahina hiala eo amin’ny tany. Nambaran-dR.C., fa in-24 niatrika fitsarana izy, ary efa niditra am-ponja. Efa nisy didim-pitsarana PIL koa ity raharaha ity, saingy nofoanana tao anatin’ny enim-bolana. Vokany, tsy misy sakafo ny mponina, tsy mianatra ny mpianatra, tsy afaka mitsabo tena.
Taranaka fahefatra amin’ny mponina, i R.J.O, nanajary ny ampahany amin’ny tany mirefy 4.500 ha, any Marovitsika Belavabary, distrika Moramanga taorian’ny nialan’ny mpanjanaka. Nisy mpitantana, malagasy avy any an-dafy, nitonona fa mpandova ny vazaha. Nahazo rariny tany amin’ny fitsarana dingana voalohany sy ny fitsarana ambony izy ireo, saingy resy tany amin’ny fandravana didy. Noroahina teo amin’ny tany ny fokonolona, rehefa tsy nety nandoa hofan-tany 10.000 Ar isaky ny vata.
Any Tsiazompody, kaominina Ampasimpotsy Gara, distrika Moramanga, nilaza ny R.D., solontenan’ny fokonolona, fa niasa tamin’ny vazaha ny ray aman-dreniny, nitrandraka ala, nanomboka ny taona 1936. Nanajary tanimbary sy tanety izy ireo, rehefa lasa ny vahiny. Nipoitra ny oona iray ny taona 2008, nitonona fa tompon’ny tany. Resy fona ny fokonolona tany amin’ny fitsarana. Inefatra nifindra tompo ity tany ity, sady nahazo fahazoan-dalana hitrandraka ny ala. Tsy misy ala voajanahary intsony ny toerana, fa hazo nambolen’ny fokonolona ity lasa trandrahin’ilay milaza ho tompon-tany ity. Nitsotra i R.D, fa « tratry ny mizana tsindrin’ila izahay fokonolona, satria tsy manana hery sy tanjaka manoloana ny mpanam-bola ».
Any Mampikony, misy olona milaza fa manana titra, ary niakatra fitsarana ny raharaha. Namoaka didy savaraviny ny fitsarana mitaky any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany ny nahazoan’ilay olona titra. Efa nihaona tamin’ny minisitry ny Fananan-tany ireo fokonolona, saingy tsy misy tohiny hatramin’izao. Avy eo, nanome alalana an’ilay olona ny manampahefana any an-toerana, nanapotika ny voly sy naka ny voka-bariny fokonolona. Mirefy 2.700 ha, ahitana fokontany 11, olona maherin’ny 1.000. Efa nanajary hatramin’ny taranaka fahatelo.
Eo koa ny tany misy ny toby miaramila any Bealanana. Raha ny voasoratra any anaty taratasy fanamarinana ny tany (CSJ), an’ny fanjakana ary nafindra amin’ny minisiteran’ny Fambolena ity tany ity ary nananganana ny toby miaramila. Nisy ampahany ary tsy nosakanana ny fokonolona hamboly teo. Nisy fanapahan-kevitra avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, hizarana ny tany hampiasain’ny miaramila sy ny hambolen’ny fokonolona. Saingy tsy tanteraka izany hatramin’izao. Misy taratasy tsy mazava milaza fa mila manao fangatahana an-tsoratra ny fokonolona maniry hamboly eo, nefa tsy tena fantatra na avy aiza na iza no mampanao an’izany taratasy izany. Hany, ka ireo miaramila (misy efa misotro ronono sy mbola amperin’asa), mamboly tsirairay eo amin’ny tany.
Haverina amin’ny fanjakana ny tany
Nasongadin’ny S.E-n’ny Sif, Raparison Eric, fa efa anisan’ny dingana lehibe ny fikaonandoha mikasika ny fananan-tany, natao teny Ivato ny jona 2022 teo, notarihin’ny filoha Rajoelina. Zava-dehibe ny nilazany hanafoanana ny tambajotran’ireo mpanao ratsy amin’ny lafiny fananan-tany. Manan-danja ny volavolan-dalàna hanatanterahana ny fanapahan- kevitra vahaolana navoakan’ny Firenena Mikambana (ONU), andiany 1514, ny taona 1960, milaza ny fizakan-tenan’ny firenena nozanahana, ny fanafoanana ny fananantanin’ny mpanjanaka. Manamafy izany ny didy hitsivolana 74-021, mikasika ny hamerenana ny tany an’ny mpanjanantany tsy nohajariany intsony amin’ny fanjakana malagasy.
Nomarihiny koa, fa ankoatra ny fampitomboana ny fanomezana titra sy ny namoronana ny karan-tany, manana vahaolana ny Sif. Isan’izany ny hanatanterahana ny fandaminana ny tahala (gestion spatiale), ny drafi- panajariana ny tany, hamaritana ny sokajin-tany, hipetrahana, hambolena, sns. Laharam-pahamehana ireo, satria, isan’ny olana ary vao mainka hiampy, raha tsy mandray fanapahan-kevitra haingana ny fanjakana ny fitombon’ny isan’ny mponina malagasy, +3% isan-taona, nefa 500.000 koa ny mitady asa.
Njaka Andriantefiarinesy