Fitakiana : manohana ny “normaliens” ny Seces Tana kanefa…

« Ekena ny zo hanao fitokonana nefa izany tsy tokony hanohintohina ny fampandehanana ny asam-bahoaka sy ny tombontsoa fototry ny firenena ary ny fepetra hafa ampiasaina io zo io, sady feran’ny lalàna », hoy ny fanambaran’ny mpikambana amin’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, oma­ly. Manohana ny fitakian’ny « normaliens » ny zo sy hasin’izy ireo ny mpampianatra mpikaroka fa manoso-kevitra kosa amin’ny hanajana ny fanehoana ny tokony hijanonana ao anatin’ny faritry ny ENS Ampefiloha. Tsy hihoatra aty ivelany ka nitarika fa­nelingele­nana tamin’ny fifamoivoizan’ny fiara sy ny olona izany. « Rehefa nanao fitakiana ny mpampianatra mpikaroka ka nanidy ny vavahady fidirana tao anatin’ny oniversiten’Anta­nanarivo, betsaka ireo nanome tsiny nefa mbola nijanona tao amin’ny faritra ny hetsika ary tao anatin’ny fanajana ny fenitra samihafa », hoy ny biraon’ ny Seces sampana Antanana­rivo.
Mahatsapa kosa ireo mpampianatra fa tsy nety ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny oniversite nanakatona ny ENS. Mampitandrina ny tomponandraikitry ny oniversite izy ireo satria manitsaki­tsaka tanteraka ny foto-pisainana sy drafitra maneran-tany maha anjerimanontolo ny oniversite. Mandrisika ny « normaliens » hanao fitakiana ivelan’ny faritra tsy azo anaovana izany ny fanakatonana ny ivontoeram-pampianarana nefa izay no tena sorohina.

Vonjy A.

Partager sur: