Efa ho herintaona amin’io taona vaovao io ny Groupe Mahatsangy, nitsangana ny janoary 2022 lasa teo, tarihin’i Sarobidy Stella.Vondrona ahitana ankizy, tanora miisa 60 amin’izao fotoana izao. Tsy tantara an’onjampeo ihany, araka izany, ny voizin’izy ireo fa tena efa ekipa matanjaka manana talenta maro toy ny mpaka sary, mpikabary, manjaitra, mpanao mofomamy, mpikarakara taovolo sy tarehy, mpanentana, mpilalao tantara sy mpilalao sarimihetsika. Miantso ireo rehetra mbola te hiditra ho mpikambana i Sarobidy Stella, izay maniry hiara-dia aminy. « Ny tanjona dia ny mba hananan’ireo tanora asa araka ny talenta sy hitrandrahana ary hanandratana izany, manokatra lalana ihany koa… », hoy i Sarobidy. Misehatra amin’ny onjampeo maromaro izy ireo amin’ny famokarana tantara ary afaka milalao an-tsehatra ihany koa. Hisy hetsika lehibe, ny taona 2023 sady fandraisana mpikambana vaovao. Miantso izay liana na koa maniry hifandray amin’izy ireo ao an-tambajotran-tserasera “Sarobidy Stella” ny tenany. Teny filamatry ny “Groupe Mahatsangy” hatraminzay moa ny hoe “Saina iray mahatody lavitra…”. Fanirian’ izy ireo ny hanandratra avo ny talenta malagasy, izay tsy mena-mitaha amin’ny hafa.
Narilala