Hetsiky ny ONG Tak: hisitraka fanomezana ireo ankizy maherin’ny telo hetsy

Hanao hetsika fizarana fanomezana ho an’ny ankizy miisa 332 000 ny ONG Teti­kasa ankizy krismasy (Tak). Hahazo izany avokoa ireo faritra 23 manerana ny Nosy.

Nankatoavin’ny Filankevi­try ny minisitra, ny alarobia teo ny hampidirana ireo kaontenera miisa 49, tsy andoavana haban-tseranana. Natolotry ny fikambanana Samritan’s Purse any Etazonia. Ahitana kojakojam-pianarana, kilalao, kiraro sy fitafiana avy amin’ireo ankizy kristianina any Amerika sy Aostralia izany. “Isaoranay ny filoha sy ny praiminisitra ary ny governemanta amin’ny fampidirana maimaimpoana ireo kaontenera ireo”, hoy ny filohan’ny ONG Tak, Randriamananjara Philibert. Tokony ho tonga any amin’ny faran’ny volana janoary ireo fanomezana ireo ka mitentina iray hetsy ariary isan’ankizy izany fanomezana izany. Niainga tamin’ny hetsika ataon’ireo zaza any ivelany ny fividianana izany. Hiteraka fifandraisana eo amin’ny samy ankizy izany ary mety hisy mpiahy ireo zaza Mala­gasy.
Mason-tsivana isitrahana izany
Na izany aza, nametraka mason-tsivana amin’ireo to­kony hisitraka izany ny fi­kambanana. “Tokony ho ireo zaza 2 ka hatramin’ny 14 taona ka mba ankizy ivelan’ ny fiangonana ny 60% amin’ ireo hahazo izany. Anjan’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ny mandrindra sy mandamina ary mijery ireo hisitraka ny fanomezana”, hoy ihany izy. Ezahina ny hizarana izany any amin’ireo distrika saro-dalana sy tany lavitra andriana. Ani­san’izany ny any atsimon’ny Nosy.

Synèse R.

Partager sur: