Nampiasain’ny mpanjaka sy ny olon-kendry, hitantanana ny tany sy ny fanjakana tamin’izany ny paikadin’ny fanorona. Manomboka takona anefa itony karazana kilalao malagasy itony ary efa vitsy ny mahalala sy milalao azy ankehitriny.
Harena ho an’ny Malagasy ny fananana karazana lalao noforonin’ny razambe. Tanterahina ny asabotsy 10 desambra 2022 eny amin’ny fokontany Ambatolampy Atsimo Ambohitrimanjaka ny valandresaka famelabelarana sy atrikasa mahakasika ny fomba sy ny kolontsaina malagasy. Tanora vao misandratra no nanatanteraka fikarohana nahitana izany tombony entin’ny kilalao fanorona izany. Izy ihany koa ny hanatanteraka izany famelabelarana sy atrikasa izany. Ny kilalao fanorona no hanombohana azy amin’ity ary hitohy amin’ny fomba sy kilalao ary kolontsaina hafa. “Tena nandova isika, namela zavatra ny razantsika. Manankarena kolontsaina isika” hoy i Lovatiana Harinaivo, tomponandraikitry ny hetsika.
Kilalao nanana ny lanjany teo amin’ny Malagasy ny fanorona. Ny sokajy sy ny karazana olona tamin’ny andron’ny mpanjaka samy nilalao azy io avokoa. Tamin’ny alalan’ity kilalao ity ny namolavolan’ny mpanjaka sy ny tandapany ny paikadiny raha hiantafika izy, tamin’izany andro izany. Misy karazany telo ny fanorona ary olona roa no afaka milalao azy. Vato karazany roa no ilalaovana azy ary arakaraka ny karazan’ny fanorona ny isan’ny vato ampiasaina. Tanjon’ny kilalao ny haka ny vato rehetra an’ny mpifanandrina aminy. Paikady maro, matotra sy matipaika ny ampiasaina ahatrarana izany tanjona izany.
Ny fahafantarana izany no nanosika io tanora io mpianatra iray hitrandraka ity kilalao malagasy ity, hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Nampihariny teo anivon’ny fitantanana orinasa ny paikadin’ny fanorona. Nahomby izany fampiarana izany ka nanomboka teo no nizarana ny maha izy ny kolontsaina sy fomba ary kilalao malagasy, indrindra ny fanorona.
Lin (Mpianatra asa)