Karohin’ny zandarimaria fatratra ilay lehilahy tompon’omby voatondro nitifitra ireo mpivady havany ny talata teo tao Mandranga, distrikan’Ihosy.
Karohina fatratra ilay lehilahy voatondro ho nahafaty ireo mpivady havany tao Mandranga fokontany kaominina Mahasoa ny talata teo. Hatramin’ ny ora nanoratanay farany, mbola anatin’ny fanarahan-dia ny zandarimaria.
Zava-doza no niseho tao Mandranga, fokontany Bevaho Ambararatabe, kaominina Mahasoa, distrikan’Ihosy ny talata teo. Mpivady monina ao an-toerana no maty notifirin’ny havany ihany. Ny volana novambra teo, voatondro ho nangalatra ny ombin’ity havany sy namono izany iretsy mpivady iretsy.
Tapaka taorian’ny fifanarahana fa hanolo ireo omby very izy mivady, hoy ny loharanom-baovao iray. Ny talata alina teo, tonga tao an-tanàna ilay lehilahy tompon’ omby nampatsiahy ny fifanarahan’ny roa tonta. Raikitra anefa ny fifamaliana, tsy voafehin’ilay lehilahy intsony ny hatezerany ka nitiftr’azy mivady izy. “Notifiriny teo amin’ny lohany ilay lehilahy raha teo amin’ ny sandriny kosa no nitifirany an’ilay vehivavy”, hoy hatrany ny fanazavana voaray, vokany, maty teo no ho eo ireo mpivady mpiompy. Nandoaka ny sandrin’ilay vehivavy ilay bala ary nahazo ny taolan-tratrany.
Nitsoaka
Taorian’izay, nandositra ilay nahavanon-doza. Ny alarobia maraina teo, tonga teny amin’ny biraon’ny zandarimaria ao Ihosy ny fianakavian’ny maty nitantara ny zava-nisy. “Fantatr’izy ireo hoy izy ilay namono azy mivady. Ary fianakavian’ny maty ihany izany. Vokany, tsy namela mora foana ny raharaha ireo fianakaviana ka nitory avy hatrany, hoy ny zandary misahana ny famotorana. Nohamafisiny fa resaka halatr’omby no nahatonga ny olana ka niafara tamin’izao vono olona izao ny zava-misy.
Henintsoa Hani