Nifarana hatreo ny asa ratsiny! Maty voatifitry ny polisy nandritra ny fikasany handositra ny jiolahy raindahiny iray tao Tsarahambendrana, distrikan’i Farafangana, afakomaly. Voasambotra ny 7 desambra teo, natao fanadihadiana lalina ity jiolahy ity ary niaiky ny heloka vitany.
Nambarany ny polisy avokoa ireo asa ratsy rehetra efa nataony. Fantatra tamin’ izany fa efa maro ireo olona namoy ny ainy vokatr’io asa ratsiny io. Tsy miasa irery anefa ity olon-dratsy ity.
Teo an-dalam-panatonana ny trano fonenan’ireo namany ireo niaraka tamin’ny polisy, nangataka hivalan-drano izy. Nitsoriaka hiditra ny atiala tsy lavitra teo ity jiolahy ity. Nampitandrina tamin’ny tifi-danitra ireo polisy nanaraka azy, saingy tsy nijanona ity olon-dratsy ity ka lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana. An-dalam-pikarohana ireo namany roa lahy ny polisy amin’izao fotoana.
Tsiferana R.