Sakaiza manody : tratra ireo nanindrona antsy ny namany

Taorian’ny fahitana vono olona iray teny Dorodosy Imerimanjaka, ny 27 oktobra teo, nidina ifotony nanao ny fikarohana izay nahavanon-doza ny polisim-pirenena teny an-toerana. Roa volana latsaka aty aoriana, voasambotra omaly ireo roa lahy mpamono olona.

Marihina fa nipetra-drery ity tovolahy ity ary hita faty tao an-tranony. Nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy teny an-toerana taorian’io ary tsy navela raha tsy tratra ireo nahavanon-doza. Fan­tatra fa nisy namany mivezivezy mpandalo matetika tao aminy talohan’ny nahafatesan’ity tovolahy ity, raha ny tatitry ny zandary. Vokany, tratra teny Talamaty sy An­katso, omaly, ireo roa lahy mpamono olona. Nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo. Niaiky ny heloka nataony ry zalahy. Disadisa teo amin’ny roa tonta sy ny fialonana no anton’izao fa­monoana izao. Nitondra namana iray izy ka niara-namono ilay tovolahy tao an-tranony. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsia­fahy ireto sakaiza manody ireto rehefa natolotra ny fampanoavana.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: