Tsy mahasahana ny velaran-tany rakotra ala raha ny isan’ny teknisianina eo amin’io sehatr’io ho an’i Madagasikara. Miandraikitra velaran’ala 28.000 Ha ny teknisianina iray raha toa ka tokony 250 Ha izany. “Misy ireo toerana izay sarotra tantanina noho io tsy fahampian’ny isa io”, hoy ny mpandrindra nasionaly eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), Randrianantenaina Fenohery. Manao ezaka amin’ ny fampitomboana isa ireny teknisianina ireny arak’izany ny Medd. “Olona natao hisehatra eny ifotony ireto tanora 30 nahavita fiofanana mahakasika ny teknisianin’ny ala ireto”, hoy ny talen’ny Ivontoerana Nasionaly Fampiofanana Teknisian’ny Ala (CNF TF) etsy Angavokely, Hobisoa Mirana Harilala, omaly. Hampihatra ny traikefany avy hatrany, noho izany, izy ireo. Ankoatra ny fahaiza-manao ara-teknika, anisan’ ny niofanan’ireto teknisianina ireto koa, ny fahaiza-mitantana ny ala sy ny faritra arovana. Marihina fa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy Angavokely omaly,ireto teknisianina 30 mianadahy andiany “Miray” nanaraka fiofanana nandritra ny roa taona ireto. Nifarimbona tamin’ny fanatontosana ny fampiofanana ireo mpiara-miombon’ antoka maro toa ny tetikasa Usaid Hay Tao, ny Page-Giz sy ny tetikasa Rindra-Union.
Tsiferana Randriatiana