Ambatomaro sy ny manodidina: niverina amin’ny ampahany ny rano

Nahazo rano ny ampahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, manodidina ny banky SG Madagasikara eny Ankadindramamy, nanomboka ny asabotsy 10 desambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo.
Vahaolana vonjimaika no nataon’ny Jirama, nitarika rano avy any amin’ny faritra manodidina, satria simba ny milina mampiakatra rano (sur presseur) eny Ambatomaro.
Maro, araka izany, ny toerana tsy mahazo rano fisotro. Nidina an-dalambe ary nandrehitra kodiarana teny amin’ ny arabe ny mponina eny Ambatomaro, ny zoma alina 9 desambra teo.
Tsiahivina fa simba ny milina mampiakatra rano eny Amoronakona, mahatonga ny tsy fisian’ny rano, efa andro maromaro izao.
Misy fahasimbany koa ny milina mampandeha ny rano eny Faralaza Talatamaty.

Njaka A.

Partager sur: