Politika zary fanakorontanana sy fandravana

Kisendrasendra na tongatonga ho azy tamin’izao ve ny tran­gan-javatra nampisavorovoro teny amin’ny Antenimi­eram­pirenena? Nanomboka tamin’ny fampiantsoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nandalo tamin’ny fifana­zavana nikato-trano, niafara tamin’ny firehidrehitry ny so­lombavambahoaka sasany hiroso tamin’ny fanangonan-tsonia hahazoana manao fitsipa­ham-pitokisana… Iza no nanao inona tamin’izany? Na teo ano­loana na ny tany ambadika…
Hay tsy nanaja sy tsy nanaraka ny dingana sy ny fomba araka ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena ny raha­raha! Tsy vitan’izany, nisy koa ny fangalaran-tsonia. Ki­sen­­dra­sendra na tongatonga ho azy koa ve ny nampan­damoka izay natao? Mpanao lalàna izao no tsy mahalala na izay fitsipika anaty mifehy azy akory aza… Iza koa no tao amba­dika? Mila fa­na­dihadiana ny raharaha, fa mandeha avokoa izao karazana fa­nambarana izao nilazan’ny sasany fa nisy tsindry tao, nisy fana­korontanana na ankasomparana…
Nefa na inona ambara sy atao toy ny hoe fanadihadiana, ohatra: efa saro-kosehina eo amin’ny politika ny tsy fifam­pitokisana eo anivon’ny fitondrana. Krizy politika eo anivon’ny andrimpanjakana? Efa na ny samy mpanohana fitondrana izao aza, misara-bazana sy tsy mitovy hevitra be ihany. Tsy fifam­pitokisana no antony? Na ny fomba fanaovana politika no tsy mandeha amin’izay izy… Tsy tsangan-kevitra no maharesy lahatra na ifandresen-dahatra sy ijoroana eo anivon’ny antoko fa tsangan’olona?
Tsy ampy na tsy misy fifampitaizana mitohy eo anivon’ny antoko: inona, ohatra, no hatao, rehefa miseho ny toy izao na izatsy fa tsy samy manao izay saim-pantany? Farafaharatsiny, mifampaka hevitra, mifampidinika… Tsy mahagaga raha mi­seho ho azy ety ivelany ny tsy fitoviam-pijery sy ny samy maka ho azy amin’ny fanapahan-kevitra politika. Na lamba maloto tokony hosasana any ambadika any no aseho imasom-bahoaka… Ny mpiray antoko aza tsy mitovy fijery be ihany, tsy mahagaga koa raha ifandroritana hatrany ny tsy fitoviam-pijery politika. Tsy mitondra ho amin’ny fanatsaran-javatra sy fampandrosoana, fa zary fanakorontanana sy fandravana.

Rafaly Nd.

Partager sur: