Mbola nisy ireo tsy afa-po tamin’ny seho voalohany ny 4 desambra, ka nangataka famerenana. Ho azy ireo sy ho an’izay tsy afaka, nanatontosa seho faharoa teny amin’ny Tanàna Zoari, Manahy Ilafy i Rija Ramanantoanina sy i Lalatiana, ny asabotsy lasa teo. Nanaporofo indray iny seho faharoa iny fa mitoetra hatrany ny kanton’izy mianadahy ireto.
Nifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny mpanakanto ka nafana ny fiarahana. Anisan’ireo vahiny nasain’izy mianadahy ireto i Fanja Andriamanantena. Tonga manokana nijery ny seho ka nampiakarin’i Rija ihany koa Radanz, mpitendry gitara beso anisan’ny kalaza, izay monina any Kenya amin’izao fotoana izao. Saika tsy ampy ireo mpankafy indray ny fotoana nalahatra. Nisy ireo hira tsy natao tamin’ny seho voalohany no natolotra ireo nanam-bintana nijery ny seho faharoa. Miandry ny fotoana ihaonana manaraka kosa indray ny rehetra.
Zo ny Aina