Raha jerena ny antontanisa ankapobeny aty Afrika, azo foanana tsara ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo. Satria azo hajariana sy ambolena ny 65%-n’ ny velaran-tany sady lonaka, ary misy ny loharanom-bola afaka manohana, toy ny Bad sy ny Fida. Saingy tsy ho tratra ato anatin’ny fotoana haingana izany raha ny aty Madagasikara, izay zara raha ny 7%-n’ny velaran-tany monja no voajary.
Hatao any Dakar Senegal, ny 25-27 janoary 2023, ny fihaonana an-tampony andiany faharoa (Dakar II), eo amin’ny filohan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), Akinwumi Adesina, filohan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena hampandrosoana ny fambolena (Fida), Alvaro Lario ary ny tale jeneraly ny Fikambanana iraisam –pirenena ho an’ny sakafo (FAO), Qu Dongyu. Mialoha, izany, samy nilaza ireo mpitarika rafitra iraisam-pirenena ireo fa azo atao tsara ny manatratra ny tanjona hanafoanana ny mosary aty Afrika amin’ny taona 2023.
Nilaza i A.Adesina, fa «tsy azo leferina mihitsy hoe kaontinanta iray manana velaran-tany azo hajariana ny 65%, isan’ny lonaka indrindra eto an-tany, sady manana rano betsaka, nefa mijaly tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Fotoana iray hanampiana an’i Afrika ity fihaonana an-tampony ity».
Nampirisika ny fisian’ny ady any Ukraine
Navoitrany koa fa misy ny teknolojia, ny vovonana samihafa ary ny loharanon-karena ilaina hanetsehana ny sehatra tsy miankina, hiditra bebe kokoa amin’ny lafiny fambolena. Sady hanohana ireo tantsaha afrikanina antapitrisany, ka hamoaka sy hampitombo ny vola hampiasaina amin’ireo lalam-pihariana amin’ny fambolena sy ny sakafo.
Tanjon’ny fihaonambe Dakar II, ny hanohanan’ireo mpitondra politika ny hanovana ny rafitra ankapobeny mikasika ny fambolena aty Afrika. Satria tokony ho vao mainka mampirisika ny firenena aty Afrika hampitombo ny famokarana sy ny fambolena ny ady any Ukraine, satria nampiakatra ny vidin-tsakafo sy nampitombo ny fanafarana sakafo avy any ivelany.
Hetsehina ny sehatra
tsy miankina
Efa nanova ny fomba fiasa ny vondrona Bad, avy amin’ ny mpamatsy loharanom-bola azy, ny Tahirimbola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Fad andiany faha-16). Niarahaba azy sy nankasitraka izany ny Fida. Marihina fa miantoka ny 55%-n’ny fanampiana ara-bola aty Afrika ny Bad sy ny Fida. Miara-mikarakara ny fivoriambe an-tampony Dakar II izy roa tonta ireo. Koa, isan’ny hodinihina mandritra ity fihaonambe ity ny handraisan’ny sehatra tsy miankina anjara amin’ny fampiroboroboana ny fambolena aty Afrika.
Nitsotra ny tale jeneralin’ny FAO, Qu Dongyu, fa ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana sady hanamasaka ny tetikasa ara-pambolena aty Afrika, ny fiaraha-miombon’antoka lavitra ezaka sy ny fampiarahana ny loharanom-bola avy amin’ny Bad sy ny Fida.
7% monja no azo volena
Eto Madagasikara, samy hafa ny toetry ny tany isam-paritra. Betsaka ny loharano any amin’ny tapany atsinanana, saingy kely ny velaran-tany midadasika azo hajariana. Mifanohitra amin’izany ny andrefana, maro ny velaran-tany midadasika, saingy tsy ampy ny loharano na vitsy ny tany voajary. Ary fahatelo ny any atsimo, tsy ampy ny rano sady tsy ampy ny tany voajary.
Raha ny antontanisa avy amin’ny FAO, manodidina ny 4,120 tapitrisa ha ny tany azo volena, manome 7% monja amin’ny velaran-tany manontolo, 58,730 tapitrisa ha. Izany hoe, maro ny ezaka mila hatao, indrindra amin’ny lafiny fanajariana ny lemaka.
Njaka Andriantefiarinesy