Niofana nandritra ny telo andro ireo tanora Arema sy ireo mpikambana eo anivon’ ny mpianatra (Marema), manerana ny distrika 119. Nanompanana ny fanofanana tamin’izao fihaonambe izao ny momba ny politika sy ny antoko. Eo koa ny haitarika “Leadership” ary ny lafiny serasera sy ny fifandraisana. “Ilain’ny tanora izany fiofanana izany satria ho avin’ny firenena izy ireo”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko, Ratsiraka Annick. Notanterahina tamin’izany koa ny fifidianana ny birao hitantanana ny fikambanan’ny tanora ka nahazo ny isam-bato, 46 ary voafidy ho filoha vaovao, Rakotonirainy Matio. Tafiditra avy hatrany ho mpikambana eo anivon’ny “Comité directeurs” eo anivon’ny Arema ny tenany. Lasa filoha lefitra kosa ireo kandidà telo, nifaninana ka tsy lany tamin’ ny fifidianana.
Nambaran’ny filoha vaovao fa anisan’ny tanjona apetrany ny hanentana indray ireo tanora ao anatin’ny antoko mba harisika amin’ny asa rehetra hatao. “Hanampy azy ireo koa ny fikambanana ary hotohanana ireo fandaharanasa atolotry ny sekretera nasionaly”, hoy izy.
Synèse R.