Covid-19: faritra enina arahi-maso

Manao ny ainy tsy ho zavatra miasa andro sy alina ny mpiasan’ ny fahasalamana anatin’ ny ady amin’ny aretina Covid-19. Mbola faritra enina no ahitana ny valanaretina.

“Mitohy ny asa, in­drin­dra eny amin’ireo faritra mbola ahitana trangana Covid-19, izay arahi-maso manokana”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, pro­fesora Randriamanantany Arivelo Zely, omaly. No­ma­ri­hiny fa efa nahitana fihenana tato ho ato ny salanisan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ho an’ny herinandro farany teo. Entanina hatrany koa ny tsirairay hanohy ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana noraisin’ny fitondram-panjakana.
Miaro amin’ny areti-mi­fin­dra maro ny fanarahana ireo fepetra ireo, ho fitsinjovana ny tsirairay, indrindra amin’izao an-katoky ny fety izao, fotoana mampirongatra aretina maro. Nambarany fa ireo mpiasan’ny fahasalamana no tokony ho modely voalohany ao anatin’ny fisorohana ara-pahasalamana.
367 ny isan’ny olona ma­ra­ry hatramin’ny 9 desambra lasa teo satria misy tranga 133 vaovao tamin’ny fitiliana 1321 vita. Iray no lavon’ny va­lanaretina tao anatin’ny herinandro ary telo ny tranga misy fahasarotana mila fandraisana an-tanana manokana. Nanomboka ny volana marsa 2020 hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 67 621 ireo voamarina fa nitondra ny tsimokaretina. 1 414 ny maty. Tsy sasatra manentana ny minisiteran’ny Fahasalamana fa tokony hiaro tena amin’ny vaksiny ny rehetra, indrindra ireo marefo. Mbola latsaky ny 7% ny tahan’ny olona nandray ny fatra feno hatreto.

Vonjy

Partager sur: