Hitafa amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny Parvis Analakely, anio, ireo mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, indrindra ireo nanana olana mahakasika ny fandoavan-ketra. Nisy omaly ny dinika nifanaovan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, niarahana nitady ny fomba ahafahan’ny mpivarotra manokatra ny tsenany izay nakatona. Niangavy ny hanohizana ny varotra ireo tompon’ny tsena satria manararaotra ny andro fety. Tapaka tamin’ny diniky ny roa tonta fa manome fanalefahana ny fepetra noraisina ny kaominina. Misokatra manomboka anio ny tsenany. Andaniny, mandoa tsikelikely ny hetra izy ireo, ary mandoa ny haban-tsena tsy maintsy efaina hatramin’ny volana jolay 2023. Ho fantatra anio ny antsipirian’ny fifandaminana anatiny natao omaly.
Fitia ( Mpianatra asa)