« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza», hoy ny ohabolana Malagasy, manamafy io lamina voajanahary io. Tanora malagasy, tsy manaja raiamandreny. Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra, sns. Olona tsy manome hasina. Olona mpanivaiva… Ka izay ananany ihany ange no omeny e!
Matoa tsy afa-manolotra haja amam-boninahitra, tsy manana izy izay. Matoa sahy manivaiva sy tsy manome hasina, ireo no ananany amby ampy ka omeny ny mpiara-monina, mpampianatra, vahoaka, sns.
Manomboka manary ny haja amam-boninahiny ny Malagasy ka tsy manana matoa tsy afaka mizara izany intsony. Efa tsy manana fahendrena sy fahalalam-pomba ny raiamandreny sasany matoa tsy nanan-kampitaina tamin’ny taranany.
Ireo heverina fa faran’izay kely aza tsy ananan’ny Malagasy intsony. Zovy amin’ny ankizy ankehitriny, ohatra, no mahay milalao fanorona, katro, soamiditra, marakely, sns. Tsy haintsika ankehitriny intsony ny milalao ireny satria, tsy nanana fahalalana momba azy ireo hampitaina ny raiamandreny teo aloha.
… Nampahantra tena isika! Nanjary tsy nanan-komena amin’ny fahendrena, fanajana, fahalalam-pomba, sns, satria nanary izany. Nisy ny teo an-tanana fa very sy nalevina. Lasa vakoka sy rakitry ny ela mahavariana ny aty aoriana sisa izy ireny fa tsy niainana intsony. Nanjary firenena poakaty i Madagasikara sy ny Malagasy. Mindrana ny an’ny firenen-kafa mba hamenoana ny banga. Tsy nijanona hatreo amin’ny fiindramana anefa fa mpanao indran-draikitra. Tsy mamerina.
Tena manam-be amin’ireny zava-nindramina ireny isika, matoa poa toa izay, efa samy miborotsaka pataloha, mitondra kavina an’ila, mandoko volo, sns, ny tovolahy malagasy. Mampiseho tratra sy vatam-pe ny zazavavy. Manao tsinontsinona ny zokiolona ny tanora be diplaoma. Mihevitra ny vahoaka ho bado ny be fahefana.
Vahaolana, mila mizara izay mbola mahatsiaro fa manana fomba amam-pahendrena, kolontsaina, tahotra an’Andriamanitra, sns.
HaRy Razafindrakoto