Nampahafantatra ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra fa hohafainganina ny fandraofana ny fako eto an-tanàna, hahafahana miatrika ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ao anaty fahadiovana.
Misy fiantraikany amin’ny ora fiasana izany ka hitombo ny ora fivoahan’ireo kamiao mpitatitra fako amin’ny atoandro. Manantitra ny fialantsiny ny CUA amin’ny mety ho fanelingelenana aterak’izany amin’ny fifamoivoizana sy ny fofona mety hateraky ny fitaterana ny fako. Andro aman’alina, araka izany, ny asa fanadiovana ny tanàna. Manao ny ezaka rehetra ny kaominina miaraka amin’ny mpiara-miasa sy ny mpanohana rehetra mba hampadio ny tanàna anatin’ny fotoana haingana.
Kendrena ny hanala haingana ireo fako tena manakan-dalana amin’ireo toerana maromaro. Mitohy ihany koa ny asa andavanandro amin’ny fanadiovana rehetra mba tsy hiverenan’ny fitobiana mihoapampana.
Tatiana A