Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: hahemotra hatramin ’ny janoary ny fanisana mpifidy

Nanapa-kevitra ny Ceni fa hohalavaina hatrany amin’ny faran’ny volana janoary 2023 ny fanisana mpifidy, raha tokony hifarana ny faran’ny volana desambra izao izany, araka ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Ralaisoavamanjaka.

“Mandeha ny fanisana mpifidy raha ny tany amin’ny faritra Amoron’i Mania”, hoy izy. Nefa ao anatin’izao fahavaratra izao, manararaotra ny filahatsahan’ny orana ireo tantsaha ka tsy tratra an-trano. Maro koa ny tanora miakatra an-drenivohitra na mamonjy asa an-tanàndehibe.
Raha ny toy ny any Amoron’i Mania manokana: nisy fitrandraham-bato vaky any amin’ny manasaraka ny distrikan’i Manandriana sy ny distrikan’Ambatofinandrahana, nirohotra any ny maro fa tsy eo an-tanàna. Matahotra koa ny sasany amin’ny fampiasana karapanondro hoe sao hatao inona.
“Ekena fa tsy ampy izany ny fanazavana sy ny fanentanana, ka nezahina natao tamin’ny toerana naleha”, hoy ihany izy. Any amin’ny 60 na 65% ny taham-pahavitrahana amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.
“Antony nahatonga anay nanapa-kevitra izany ka hohalavaina ny fanisana mpifidy”, hoy izy. Didim-panjakana no mamoaka ny fanemorana ny fe-potoana fanisana mpifidy, ary hiezaka hampita izany fikasana izany any amin’ny governemanta ny Ceni; avy eo, ny governemanta no ma­moaka didim-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: