Naneho ny heviny, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga. Nohitsin’izy ireo fa tafiditra anatin’ny krizin’ny samy Andrimpanjakana ny firenena amin’izao.
“Tsy marin-toerana intsony ireo Andrimpanjakana noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fanarahan-dalàna”, hoy izy ireo. Niantso ny hampitsaharana sy ny fanapotehana ny firenena ny fivorian’ny birao politika, nivory teny Ankerana, omaly. Hampitombo ny krizy sosialy sy toekarena, efa iainan’ny olom-pirenena amin’ny andavanandrony, izao tranga miseho izao, araka ny fanambarana hatrany.
Notsiahivin’ny MMM fa adidin’ireo depiote ny manara-maso ny asan’ny governemanta ka maneho ny fahitan’ny olom-pirenena, soloin’izy ireo tena ny fitsipaha-pitokisana nataon’izy ireo, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. “Midika fa tsy mahomby intsony ny fitantanana amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy ireo. Nofoanana tsy araka ny lalàna velona koa izany fitsipahana ny governemanta izany rehefa avy nihaona tamin’ ny filoham-pirenena ireo solombavambahoaka.
Tsy fanajana ny hasin’ny olomboafidy
Mbola nofoanana koa ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny antenimiera roa tonta. Mazava anefa ny voalazan’ny andininy faha-102 amin’ny Lalàmpanorenana fa fotoana ahafahan’ireo solombavambahoaka sy ny loholona mitondra ny feon’ny vahoaka. Arahan’ny vahoaka mivantana amin’ny haino aman-jery izany. Maneho izany fa tafiditra ao anaty krizy ny eo amin’ ny samy Andrimpanjakàna. Notanisain’ny MMM ny anton’izany. “Eo ny tsy fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena sy ny tsy fanajana ny fisarahan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Eo koa ny tsy fanajana ny hasin’ny olom-boafidy sy ny olom-pirenena nifidy azy”, hoy ihany ny MMM.
Synèse R.