Manomboka miakatra eo amin’ny sehatry ny matihanina ny tanora malagasy, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Tanora mpanatontosa malagasy roa no nandrombaka ny “Zebu d’Or”, amboara ho an’ny nandrombaka ny fifaninanana nandritra ny fifaninanana nandraisan’ny mpanatontosa afrikanina anjara. “Feno tanora manana talenta miafina aty Afrika. Manolotra azy ireo fahafahana miofana matotra no andraikitray, ahafahany ho isan’ny matihanina sy ho mpanakanto sy mpanatontosa ho reharehan’i Afrika sy ny firenena niaviny”, hoy i Laza, Talen’ny Madagascourt Film Festival.
Ny sokajy “Fiction Panafricain”, izay norombahin’i Hary Joel, tanora mpanatontosa malagasy. Teo ihany koa i Mahafinaritra Rajerizafy, mpanatontosa malagasy nahazo ny “Prix du public ». Mpanatontosa afrikanina sy horonantsary ampolony no nifaninana tamin’izany. “Nandritra ny 8 volana no namolavolana ny horonantsary ary marobe ny fahasarotana nosendraina tamin’izany”, hoy i Hary Joel. Mitohy hatrany moa ny fitrandrahana zava-baovao sy fampitomboana ny traikefa, araka ny nambarany.
Lin (Mpianatra asa)