Hamangy ny sakaizany : lehilahy voadaroka

Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohany sy ny tanany ny raim-pianakaviana iray tao Antse­navolo anatin’ny faritra Atsi­mo-atsinanana; ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo.Naharay antso tamin’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly Antsenavolo ny zandary lehiben’ny tobim-paritra fa misy lehilahy iray naterin’ny namany ao amin’izy ireo. Vaky loha, tapaka ny tanan’io lehilahy io. Avy any Mananjary ity naratra ity sy ireo namany telo lahy araky ny fanazavan’ireo nanatitra azy. Nandeha moto izy ireo ary nikasa hatory eo Irondro satria hihazo an’An­tso­hihy. Nijanona teo Antse­navolo anefa ity lehilahy iray ity noho izy nilaza tamin’ireo namany fa manan sakaiza eo amin’io toerana io. Noho ny maraina, niantso azy ireo namany saingy tsy namaly ny antso izy. Kinanjo, hitan’ireto namany ireto teo anelanelan’ ny tananan’ Antsenavolo sy Ambodiakatra izy ary efa voaratra mafy teo amin’ny lohany. Tsy vitan’io, tapaka koa ny tanany. Niezaka namonjy ny ain’ity namany ity arak’izany ireo telolahy ka nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Tsy tana intsony anefa ny ain’io lehilahy iray io minitra vitsy taorian’izay. Hatreto, tsy fantatra ny olona nahavanon-doza. Voa­roba ny telefonina telo sy taratasin’ny moto iray ary lamba maromaro. Nandrasana tao amin’ny tranobe Antsenavolo ny razana ary nitady ireo fianakaviany ireo tomponandraikitra. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: