Lavo ny andrarezina ! Sehatry ny kanto maro no niriariavan’ny sanganasan’i Abel Andriarimalala. Tsy hikorisa intsony ny penina. Tsy ho heno mivantana sy tsy ho hita eny an-tsehatra intsony, izany rehetra izany.
Araka ny vaovao nampitain’ny Havatsa-Upem, nodimandry, omaly 12 deambra 2022, teo amin’ny faha-83 taonany, tao Frantsa i Abel Andriarimalala. Toeram-pianarana, sehatra samihafa, firenena maro, haino vaky jery isankarazany, sns, no niriariavan’ny sanganasany sy nahitana azy tao anatin’izay taona maro izay. Abel Andriarimalala, mpahay teny sy fiteny, mpanoratra, poety, mpikabary andrarezina, mpamoron-kira kalaza. Mpampianatra teny malagasy anisan’ireo 10 mianadahy nanangana ny Havàtsa-Upem, Sampana Frantsa tamin’ny taona 2004. Zanaka lahimatoan’i Ener-Lalandy (Randriarimalala René), anisan’ireo 15 mirahalahy nanangana ny Upem tamin’ny taona 1952, ary efa filohan’ny Upem tamin’ny 1990 raha nodimandry i Régis Rajemisa Raolison. Taona 2012, namoaka boky « Aingam-panahy tia sangy », misy tononkalo sy tononkiran’i Abel Andriarimalala ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa. Anisan’ny nampisongadina an’i Abel Andriarimalala ny famoronan-kira. Tsy afaka eo am-bavan’ny olona maro ny sanganasany tahaka ny « Fitia ambaratelo », « Tsy anomezako tsiny », « Mahita kilazalaza », « Tsenao fa tonga », « Mangidihidy », « Fa taiza ange ianao », sns.
Raha tsiahivina, tamin’ny asabotsy 3 desambra teo no niara-niatrika tamin’ireo mpikambana Havàtsa-Upem ny “Journée de la littérature malgache” tao amin’ny Inalco, Paris, i Abel Andriarimalala. Hetsika tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Upem. Ny hariva, mbola niara-nifaly tamin’ny « Takarivan’ny poety » tao Montrouge ihany koa.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto