Misesy ireo mpanao rap vahiny : ho avy hizara ny “afrolov” eto i Tayc

Maro izay mpanakanto mpanao rap frantsay nandalo teto Madagasikara tamin’ity taona ity izay… Vantany vao nifarana ny “festival Zaza Rap Taiza”, ny asabotsy teo, dia efa nanambara vaovao mahafaly hoan’ny mpiondana indray ry zareo ao amin’ny Good Vibes Party. Ho avy ary hanao fampisehoana eto Ma­dagasikara i Tayc ny 10 mars izao. Hatreo ihany anefa aloha ny vaovao, fa tsy mbola nanambara ny toerana hanaovana izany ny mpikarakara. Noho ny fijerena tsara izay tena mety indrindra no antony, satria efa nahazo lesona tamin’ilay sehon’i Dadju izay nomanin’izy ireo ihany .
“Ho avy miaraka amin’ny mpitendriny sy ny mpandihiny rehetra izy”, hoy hatrany ny fampanantenan’ny mpikarakara. Tsy ho latsa-danja amin’ny seho izay efa nataon’ireo nialoha lalana, araka izany, no homanina. Hizara ny “afrolov”, izay ilazany ny mozika ataony i Tayc. Mihodidina amin’ny afrobeat, ny hip-hop, ny afropop ary ny Rn’b ny gadona voiziny.
Julien Franck Bouadjie no tena anaran’i Tayc. Avy any Cameroun ny ray aman-dreiny, saingy teraka sy monina ao Frantsa izy. Nanomboka ny mozika ny taona 2012 i Tayc, rehefa nifindra monina tao Paris niala an’i Marseille. Efa avy nanandrana ny teatra sy ny dihy izy nialohan’ny nironany tamin’ny famoronan-kira. Namoaka rakikira voalohany i Tayc ny taona 2019, ka nisongadina indrindra tamin’izany ilay hira “Ewondo ou Bami”, niarahany tamin’i Manu Dibango. Ny “N’y pense plus” tamin’ny 2020, narahin’ny “Le temps”, “Bye bye” ary “Dodo” kosa no tena nampiaka-daza vetivety an’ity mpanakanto ity. Maromaro ny fankasitrahana efa azony, toa ny nahavoasokajy azy ho “artiste masculin francophone de l’année”, nandritra ny NJR Music Awards tamin’ny volana novambra lasa teo.

Zo ny Aina

Partager sur: