Moramanga: fotodrafitrasa maromaro natao manara-penitra

Nanolotra ny asa vita tao amin’ny fokontany Anta­na­mandroso- Est sy Ouest, kaominina Moramanga ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana (SENVH) ny asabotsy teo. Nohavaozina sy nampanarahana fenitra tanteraka ny lakandrano mirefy 574m ary ahitana dalot miisa telo izay handrindra ny fitarihan-drano sy hiaro amin’ny tondra-drano. Tsizarizary, niteraka loto teo an-tanàna ary nampitaraina ny maro, indrindra amin’ny fotoanan’ny orana, izany teo aloha.
Tetikasa ao anatin’ny fandaharanasa fanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary iarahana miasa amin’ny ONU Habitat ny asa vita ao Moramanga.
Nentanina ny mponina amin’ny tokony hanajana ny fananana iombonana mba ha­mpaharitra izany sy ho fanatsarana ny tanàna iraisana.
Hitohy amin’ny fanamboarana ireo lakandrano sisa mbola tsy vita ny asa izay hampiarahina amin’ny fanaovana ho rarivato ireo lalankely lalovany avy hatrany raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Hojerena manokana ihany koa ny famitana ny kianja manara-penitra amin’ny alalan’ny fanajariana ny manodidina sy ny famefena izany.
Ankoatra ny fanorenana tanàna vaovao toy ny Ta­na­ma­soandro, Miami sy ny fanorenana trano fonenana dia tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny SENVH ihany koa ny fanatsarana ny toeram-ponenana amin’ireo tanàna efa misy.

Tatiana A

Partager sur: