ONN-sehatra tsy miankina : homena sakafo ny mpianatra

Tombony roa lehibe ny fisian’ny fampisakafoanana ny mpianatra an-tsekoly, voalohany,  mitarika ny fahazotoan’ireo ankizy hiatrika ny fampianarana isan’andro ary mampitombo ny tahan’ny fi­dirana an-tsekoly. Ny tombony faharoa, hisy fiantraikany tsara amin’ny faharanitan-tsaina ny fihinanan’ny mpianatra sakafo ara-pahasalamana na io eo amin’ny fatra na kalitao. Izany indrindra no antony nametrahan’ny foibem-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) rafitra manokana misahana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’ antoka sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fametrahana ny toeram-pisakafoana an-dakilasy. Eo koa ny fanohanana ara-tsakafo ny sekoly izay mila fanampiana.
Sekoly 10 eto Antana­na­ri­vo no hahazo famatsiana ara-tsakafo sy hanatanteraka fa­nen­tanana sy fampitana hafatra momba ny fomba fisakafo­anana ara-dalàna, ao anatin’ ny tetikasa EAT WELL izay fi­araha-miasa eo amin’ny ONN sy ny vondrona orinasa tsy miankina iray. Tetikasa mi­tentina 20 000 euros ka haharitra mandritra ny taom-pianarana iray. Ankoatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, izay miahy mivantana ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly amin’ny sekoly ambaratonga fototra miankina amin’ny fanjakana (EPP), ma­nampy tosika amin’ny famatsiana ara-tsakafo koa ny sehatra tsy miankina. Manome tantsoroka amin’ny fametrahana ny zaridaina an-tsekoly mamokatra sakafo ahafahan’ireo sekoly mahaleo tena ara-tsakafo ny mpiray ombon’antoka.

Vonjy A.

Partager sur: