Toamasina : jiolahy iray nikasa handositra voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra indray ny basy ! Lavo ny jiolahy iray tao  amin’ny fokontany Am­bo­dimandresy, kominina ambanivohitra  Sandahatra, disitrikan’ i Toamasina II, ny marain’ny alatsinainy. Efa nokarohina hatry ny ela, ity jiolahy ity. Raha ny angom-baovao, nitrangana halatra sy vaky trano tao an-toerana ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady. Very ny vola 3 tapitrisa Ar sy entana maro samihafa . Nafenin’ny iray tamin’ ireo dimy niara-nangalatra ny vola ka nataony fa 2 tapitrisa ariary ny vola tao ary nafeniny ny 1 tapitrisa ariary tsy nambarany ny namany. Teo no niatomboka ny olana tamin’ ireo samy jiolahy ka nivoaka ihany ny nafenina ary voasambotra ny iray voalohany. Samy nifampiampanga, nandritra ny famotorana raha nilaza ny haka ilay vola 1 tapitrisa Ar nafeniny  tany am-body hazo anatin’ny ala ny iray. Hanararaotra handositra, nanohitra ny zandary ity jiolahy iray ity. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary notarihan’ny kapiteny Tela Josephin, komandin’ny kompanian’ny zandarimaria Toa­masina io olon-dratsy io. Notanana ireo namany efatra hafa.

Sajo

Partager sur: