Toeram-piompiana Activo : akohokely fakàna nofo sy manatody lava

Misy akohokely ahazoana taranaka akoho fakàna nofo sy manatody lava. Ao ny om­pi­ana ahazoana taranaka akoho amidy misy nofo ; fa mpanatody lava kosa hafarana. Izay ny fiompiana sahanin’ny Activo.

Ny amin’ny maha fakàna nofo ny akoho, tsy amidy raha tsy efa tapitra ny vanim-potoana famokarana atody. Tsy amidin’ny Activo ireo karazana akoho ireo raha tsy efa tapitra ny vanim-potoana famokarany atody afaka iray na iray taona mahery, antsoina hoe «réforme» na mihena ny atodiny. Akohokely foy fakàna nofo kosa amidin’ny Activo isan-kerinandro.

Fa ny sakafon’ireo ako­ho, fiaraha-miasa amin’ny Netronnutrition, izay manome ny fepetra sy toromarika tokony harahin’ny Activo no manafangaro azy. Alaina ny akohokely sy mitsinjara azy eran’Antananarivo hatrany amin’ny faritany. Zanak’ ako­ho fakàna nofo no tena betsaka ny maka azy. Vao foy iray andro dia efa alaina ny zanany. 3600 izao ireo zanak’akoho ao amin’ny Activo any Arivonimamo.

Partager sur: