Natao, ny 10 desambra teo, ny fandrotsahana zana-trondro miisa 5.000, ao amin’ ny farihin’i Tsiazompaniry, distrika Andramasina. Fanindroany ity hetsika ity, iarahan’ny fitantanana jeneraly ny fitananam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DGEB sy ny DRPEB) manatontosa. Nanatrika ny fotoana teny Tsiazompaniry ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert sy ireo mpanjono mivelona amin’ity farihin’i Tsiazompaniry ity. Tsiahivina fa mikatona ny fanjonoana any an-toerana, ka izay no nanararaotana nampidirana zana-trondro toy izao.
Ankoatra izany, namboarina ny 11 desambra teo, ny dobo hanatavezana drakaka any amin’ny fokontany Marovato Atsimo, kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia. Natao tamin’ny alalan’ ny asa tanamaro izany, ka manodidina ny 100 ny hahazo tombontsoa, mivondrona ao anaty fikambanan’ny mpanarato roa. Nanohana azy ireo ny fitantanam-paritry ny minisiteran’ny Jono, ao anatin’ny tetikasa SAPPHIRE, miaraka amin’ny Fifanarahan’i Nairobi.
Mikatona koa ny fanjonoana oratsimba na langosta, nanomboka ny 1 hatramin’ny 31 desambra 2022 any amin’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Sava, Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe ary Atsimo Andrefana.
Njaka A.