Efa tena tafahoatra ka tsy azo ekena intsony. Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpitrandraka madinika, any amin’ny fokontany Ambalamahatsara, kaominina Fenoarivo, Ambatofinandrahana. “Tsy hanaiky ny fanararaotam-pahefana ataon’ny depiote voafidy tany Beloha sur Tsiribihina izahay”, hoy ny solontenan’izy ireo. Nanambara ireo mpitrandraka fa manana taratasy ara-dalàna, araka ny fahazoan-dàlana 3273 izy ireo. Miditra ankeriny sy mandroba ao amin’ny taninay izy ireo. Maro ireo mitaraina miasa amin’izany toerana izany. “Nampiasa fitaovana matanjaka “poclain” ary mirehareha amin’ny maha IRD azy, hanaovana izany fandrobana izany”, hoy ihany izy ireo.
Nanterin’ireto mpitrandraka ireto fa mihoampampana ny fatiantoka eo amin’izy ireo. Eo ny vola aloa amin’ny fanjakana. Zara raha misy entana azo satria hidiran’ny ekipan’ny depiote ireo lavaka. Hanaovana bodingerona fotsiny izao ireo amperinasa, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Tsy afaka miasa malalaka izahay. Mampiasa mpitandro filaminana koa izy io”, hoy izy ireo.
Fialan’ny ekipan’ny depiote
Takin’ireo mpitrandraka ny hanalàna tsy misy fepetra ireo tsy manara-dalàna sady mananaraotra fahefana ary manao ramatahora amin’ny anaran’ny filoham-pirenena ireo.
Tsy vitan’izany fa mampiasa fiara vaventy, tsy zakan’ireo tetezana maromaro fa mihoatra lanja hatrany amin’ny 35 t io olomboafidy io. ” Ho simba tsy ho ela ireo fotodrafitrasa ireo noho ny fanararaotam-pahefana”, hoy izy ireo.
Takin’ireo mpitrandraka ny hanalàna ireo olon’ny depiote ireo ao amin’io fitrandrahana vato io. Efa nampahafantarin’izy ireo izany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny ben’ny Tanàna sy ny sefo fokontany. Eo koa ny zandary sy ny polisy any an-toerana indrindra ny lehiben’ny distrika. Efa nampahafantarin’izy ireo izao ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny sefo distrika sy ireo mpitandro filaminana ary koa ny eo anivon’ny kaominina sy ny fokontany.
Synèse R.