Hotanterahina manomboka tamin’ity herinandro ity ny fanangonam-baovao mikasika ireo mpifindra monina ao amin’ny fokontany 100, avy amin’ny kaominina 20 ao amin’ny distrika efatra any atsimon’ny Nosy (Amboasary, Ambovombe, Ampanihy Andrefana ary Tsihombe).
Hanaovana tatitra momba ny fifindra-monina izay hivoaka mialohan’ny faran’ity taona ity no tanjona amin’ny fidinana ifotony sy ny fanisana.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamafisana ny fiatrehana ny maha olona, mifanaraka amin’ny filan’ny mponina tratry ny haintany any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, ny hetsika. Vatsian’ ny CERF avy amin’ny firenena mikambana ary iarahana amin’ny BNGRC ny fanisana.
Nisy ihany koa ny fanofanana ireo mpanara-maso sy mpanao fanadihadiana momba ny fanangonana antontan-kevitra mahakasika ny fifindra-monina eny anivon’ny fokontany, tao amin’ny biraom-paritry ny BNGRC ao Ambovombe, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fitaovana fanangonana DTM (Displacement Tracking Matrix) ny fiofanana izay novolavolain’ny OIM.
Marihina fa lasa mifindra monina manatona tanàn-dehibe ny mponina any amin’ireo fokontany tena lavitra amin’ireo distrika efatra anaovana ny asa fanangonam-baovao. Vokatry ny haintany miteraka mosary no hiakaran’ireo mponina mamonjy tanàna ireo. Afaka miasa ary mba mahita izay ohanina ihany izy ireo amin’ny karama azony amin’ireny tanàna ireny.
Mitaona rano, mibata entana, miandry ondry aman’osy no asa atao amin’izany. Tsy misy hatokona kosa izy ireo raha mijanona any amin’ ny fokontaniny satria tsy mamokatra ny tany ka ho fatin’ny mosary eo.
Tatiana A