FPNM – Fitakiana ireo Nosy : “Mila fiaraha-miasa any ivelany ny ady”

12 desambra 1979-12 desambra 2022. Nahatsiaro ny tsingerin-taona namoahan’ny Firenena mikambana (ONU) fehinkevitra ny amin’ny hamerenen’ny frantsay amin’i Madagasikara ireo Nosy malagasy manodidina ny Firaisankinam-pirenena ho an’ny Nosy malagasy (FPNM), afakomaly.

Mazava tsara fa amin’ izao ady amin’ny Nosy malagasy izao, misy paikady maro samihafa tokony hatao. Misy ady dip­lao­matika, misy ady ara-toekarena… Tsy ho vitantsika Malagasy irery izany. Tsy maintsy misy fiaraha-miasantsika amin’ireo hery samihafa any ivelany hahazoana an’izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny FPNM, Rajoha­rison Félix na Rainidina.
Efa betsaka ireo hery any ivelany no manohana ny fitakiana amim-panetren-tena sy amim-pahadiovan-tsaina. Rai­si­na izany ary hotenenina ireo hitondra firenena ho avy eo : aiza ny lalana tokony haleha? Mandeha amin’ny tsy fombàna amin’ny atsy na ny aroa. Tsy avela handroba ny herena eto an-toerana ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny, fa ha­nampy ny tena hialana amin’ ny vahoho nataon’ny mpanjanaka.

Tsy natao ny sosokevitra naroso

“Tsy matoky izahay fa izao fitondrana izao no hitondra zavatra betsaka amin’ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy ireo”, hoy izy. Efa nametraka taratasy any amin’ny fitondrana ny amin’ny tokony hatao ry zareo. Tsy nisy natao izany, na iray aza. Teo, ny amin’ny tokony hamoahana ny fehinkevitry fikaonandoha natao teny Ivato momba an’ireo Nosy malagasy, ny fametrahana ny rafitra, ny famoahana didim-panjakana ho faritra faha-24 na fampidirina amin’ ny faritra hafa ireo Nosy manodidina, ny fametrahana lalàna fehizoro mamaritra ny maha izy azy an’ireo Nosy ireo, ny fanalana ireo miaramila frantsay ao amin’ny Tafika malagasy ho mariky ny fiandrianam-pirenena…

“Tsy nisy natao ny momba ny sosokevitra napetrakay hakana an’ireo Nosy malagasy ireo. Noho izany, tsy matoky intsony izahay”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: