Hotanterahina ny alahady izao eny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny famaranana fifaninanan-kira “Gospel Song competition”, ho an’ny eny Atsimondrano. Hifaninana amin’izany ireo antoko mpihira miisa valo nisafidy ny hanao Gospel raha hanao ny “Open” kosa ireo antoko mpihira valo hafa. Hifaninanana amin’izany ny hira iray noforonina ary ny iray hira tian’ny antoko mpihira hatao. Tsy mihoatra ny 6 mn avy ny hira iray. “Ampaherezina ny rehetra mba hifantoka betsaka kokoa amin’ny hira noho ny fidirana sy fivoahana ny sehatra”, hoy ny tompon’andraikitra mpikarakara. Mitovy avokoa ny herijika iatrehana ny famaranana.
Maneho ny hira iray avy nosafidiany sy niomanany ny tsirairay eo amin’ny andiany voalohany. Misy ny fifidianan’ny mpijery izany. Tahaka izany koa eo amin’ny andiany faharoa.
Eo amin’ny fitsarana kosa ho an’ny famaranana, manome naoty na salanisa 75% ny mpitsara raha 25% kosa natokana ho an’ny mpijery mpanatrika. Tanterahina amin’ny alalan’ny taratasy fifidianana arotsaka anaty vata mangarahara izany. Mpijery iray, vato iray, bileta tokana ary hametrahana marika manokana hanavahana ireo efa nifidy amin’izany.
Mizara miavaka ny bileta sokajy voalohany sy ny sokajy faharoa, amin’ny fifaninanana.
Synèse R.