Handball – «IHF Trophy»: nahemotra amin’ny janoary ny fifanintsanana

Noho ny antony fikarakarana, voatery hahemotra amin’ny volana janoary 2023, ny fifanintsanana kaontinantaly, taranja handball “IHF Tro­phy”, ho an’ny sokajy zandriny U20 lehilahy. Araka izany, ny 16 ka hatramin’ny 20 janoary ho avy izao, no hanatontosana izany any Kongo Brazzaville.
Efa fantatra avokoa mantsy ireo tompondaka isam-paritra. Ginea, ho an’ny faritra faharoa. Nizeria ny faritra fahatelo. Kongo, ny an’ny fahefatra, raha i Roandà ny an’ny fahadimy. I Zimbaboe, ny faritra fahenina ary i Madagasikara ny faritra fahafito. Miandry ny antsapaka ny rehetra, hahalalana izay iray vondrona. Hanana ny lanjany lehibe, ity fifaninanana ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao ny taona 2023, izay ho tompondaka eo. Tsiahivina fa hiantohan’ny Kaonfedera­siona afrikanina (Cahb) avokoa ny tapakila sy ny fampiantranoana, amin’ity. Araka izany, tsy tokony hisy intsony izany ny ahiahy ny amin’ny ho fandraisana anjaran’ny Malagasy. Na izany aza, ilain’ny mpilalao hatrany ny fanohanana avy amin’ny fitondrana. Ankoatra izay, mbola miandry ny ho valin-tenin’ny Cahb, ny Malagasy, mangataka ny hahazoan’ny sokajy “Cadet”, miatrika ity fifanintsanana kaontinantaly, ity ihany koa.

Tompondaka

Partager sur: