Notanterahina tao Johannesburg, renivohitr’i Afrika Atsimo, ny 8 hatramin’ny 10 desambra lasa teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasan’ny firenena afrikanina entina miady amin’ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ireo ankizy amin’ny alalan’ny internet.
Nodinihina ny paikady mifanandrify amin’izany ary ny fametrahana sori-dalana enti-miady amin’izany aty Afrika. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa teo amin’ireo mpandray anjara. Nisolo tena ny firenena malagasy tamin’izany ny talen’ny ankizy sy ny fianakaviana ao amin’ny minisiteran’ny Mponina.
Efa hita taratra eto Madagasikara ny fanararaotana mianjady amin’ny ankizy sy ny tanora eny ambony tambajotra sosialy. Manaporofo izany ny fanangolena miseholany mamotika ny tanora na amin’ny fisarihana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina na ny fivarotantena ankolaka sy ny fanapotehana amin’ ny endriny samihafa.