Karieram-bolamena: mifamono sy mandoro tanana ny samy mpitrandraka

Tsy mijanona ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahatona, distrika Mandritsara andro vitsy lasa izay. Omaly, olona amam-polony indray voasambotra tao amin’ity kariera ity.

Anatin’ny famotorana lalina momba ilay raharaha tao Sahato­na ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Ankehitriny, ma­no­didina ny roapolo isa ireo voasambotra tamin’iny tranga iny. Ankoatra ireo folo voa­sambotra afakomaly, olona amam-polony vaovao hafa indray tra-tehaky ny mpitandro filaminana omaly tao amin’ity kariera ity. Na eo aza izany, mbola
misy koa ireo karohina amin’izao. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola any amin’ny kariera, toerana nahatratrarana avokoa ireo olona amam-polony voasambotra ireo.
Etsy ankilany, tsy mbola misy tompon’andraikitra avy any atsimon’ny nosy nandray andraikitra momba ny raharaha. Ireo mpitandro filaminana kosa no nandamina ny zava-nisy sy nanentana ny vahoaka tsy hitroatra. Nambara tao anatin’izany fa hiharan’ny lalàna velona ireo mihoa-pefy sy minia mandika ny lalàna mipetraka.

Nandao ny tanàna
Taorian’ny savorovoro nitranga, ny alakamisy teo, efa maro ireo foko antandroy namonjy fodiana sy niala tao Sahatona. Araka izany, maro ireo fiara mifamezivezy mitatitra ireo mpiavy. Mbola misy anefa ireo monina sy manohy ny asa fivelomany ao an-toerana, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana.
Tsiahivina fa nisy andian’olona mpitrandraka volamena niditra amboletra tao amin’ny toerana ipetrahan’ireo tompon-tanàna. Nanom­boka nangady lavaka izy ireo saingy tsy nanaiky izany ny tompon-tanàna. Ireto farany izay efa namoy ny tany fihariana hatrizay satria efa feno lavaka ny ankabeazan’ireo velarantany fiasany. Tafiditra amin’izany ny tanimbary sy tanimboly maro. Vokany, ni­fandona ny roa tonta ka trano 34 isa, vary, biby fiompy sy entana maro samihafa kilan’ny afo. Toeram-pivarotana iray koa voaroba. Olona mi­isa telo naratra nandritra ny fifandonana. Roa tamin’ireo, efa nody an-trano rehefa na­monjy hopitaly raha mbola mitsabo tena kosa ny iray hafa. Ankehitriny, maro ny olona tsy manan-kialofana. Ny andron’io ihany, tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana, na­nampy isa koa ireo zandary avy ao Antsohi­hy nandamina ny zava-nisy. Ankehi­tri­ny, milamina ny toe-draharaha ao an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: