Miandry voan-dalana !

Anisan’ny firenena iray voaasa hanatrika ny fihaonambe an-tampony “Etazonia-Afrika” i Madagasikara. Midika izany fa manan-kasina imason’ny firenen-dehibe, anisan’ny sangany maneran-tany isika. Miampy izay, maro ny teratany malagasy mahazo mari-pankasitrahana manokana noho ny “fahaiza-manaony” sy ny “traikefa” ananany amin’ny lafin-javatra maro, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fisintonana lakolosy, na ny ady amin’ny tsy rariny isan-karazany sy ny fanimbana tontolo iainana. Mariky ny fahamarinan-toeran’i Madagasikara eo anoloan’ny kilalaom-panorona momba ny raharaha politika maneran-tany izany.
Tokony ho hain’ny mpitondrantsika ny manararaotra ny tombony azo avy amin’ny Amerikanina. Anatin’ny firenen-dehibe mikatsaka fatratra ny mpiara-miombon’antoka sy mpanaradia ny politikany rahateo ny i Etazonia. Iaraha-mahalala rahateo ny fihenjanan’i Rosiana amin’ny ady izay atao any Ukraine. Ady mampisara-bazana ny samy goavana. Azo lazaina, tsy mahafa-piry rahateo ny tandrefana, na manao izay ho afany amin’ny fanampiana ny mpifanandrina ankilany aza dia ny okrainianina. Tsy hita izay resy sy mpandresy, fa izao tontolo izao no mikorontana ambony ambany, indrindra mikasika ny fiainana andavanandro.
Vokatr’izany, tambatambazana fatratra, toa lolohavina an-tampon’ny loha mihitsy ny firenena afrikanina amin’izao fotoana izao. Afrika ve? Kaontinanta iray, anisan’ny manankarena amin’ny akora fototra isan-karazany, afaka mamaly ny filan’ny firenena maro maneran-tany. Tsy mahagaga, jereo fa koloina mafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena madinika sy an-dalam-pandrosoana, ankehitriny. Samy manao izay ho afany ry zareo matanjaka, hananganana ekipa vaovao matanjaka sy hanamafisana ny efa misy.
Inona moa no maharatsy an’izany? Madagasikara, izay Nosy, tsy afaka ny hiolonolona. Tsy ranon’Ikopa ka hoe tonga namana vao mavomavo. Ny firenena amerikanana rahateo izay afaka tsara manampy be dia be ihany koa an’i Madagasikara amin’ny politikam-pampandrosoana isan-karazany. Raha tsy hilaza afa-tsy ny tetikasa AGOA isika, miandry ny fanamafisana izany rahateo ny ankamaroan’ny Malagasy. Indrindra amin’izao vanim-potoana mampikaikaika ny sarambabem-bahoaka izao amin’ny olan’ny tsy fisiana asa sy ny politikam-pitsitsiana ataon’ny orinasa afakaba sasantsasany izao. Miandry voan-dalana tsara araka izany ny Malagasy. Ity rahateo no dia farany hataony any ivelany amin’izao taona 2022 izao

r.r

Partager sur: