Tokantrano iray tany Antsirabe II, ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambohitsimanova, no voatafiky ny jiolahy ny zoma tamin’ny 12 ora alina teo. Nampandre ny zandary ao Ambohidranandriana ny fokonolona avy eo ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary. Nisy ny fanakanan-dalana notarihin’ny CB ao Andranomadio tamin’izany. Nitsoaka avy hatrany izy ireo raha nahita ny zandary sy ny fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra teny an-dalana ihany ireo jiolahy. Voasambotry ny zandary tamin’izany i Naina sy Pondeuse. Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy noratrain’izy ireo tamin’ny famaky sy vato. Vokany, maty avy hatrany ireo olon-dratsy ireo. Ny iray hafa maty teny an-dalana vokatry ny ratra nahazo azy ihany. Tratran’ny zandary sambo-belona kosa ny jiolahy telo hafa niezaka nandositra ary nohadihadiana tany amin’ny birao. Fantatra tamin’izany fa jiolahy raindahiny ny iray. Nahazoana izao vokatra izao ny fifanampiana teo amin’ny fokonolona sy ny zandary ary ny asa tagnamaron’ny fandriampahalemana. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ny rarahara ary hatolotra ny fitsarana aorian’ny fanadihadiana. “Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy miriaria any”, hoy ny zandary ao Antsirabe.
Marihina fa lasan’ny jiolahy tamin’izany ny vola 300.000 Ariary sy entana maro, toy ny fitafiana
Mino (mpianatra asa)