Naratra ny tongotra sy ny lohan’ny mpandeha an-tongotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao anatin’ny lalam-pirenena fahafito, PK317+150 teo Camp-Robin, ny faran’ny herinandro teo. Avy aty Antananarivo nikasa hihazo an’i Toliara ity fiara 4×4 ity. Niampita tampoka, tsy hitan’ny mpamily fiara ny tovolahy iray. Niezaka niala, voafaoka io mpiampita io. Vokany, tapaka ny tongony sy ny tanany. Naharay antso ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ao an-toerana ka nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny zandary. Nentina notsaboina avy hatrany eny amin’ny CHRR Ambositra ilay naratra. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.