Tanàna maitso-Unicef : hanaovana andrana amin’ny toerana efatra any Bekily

Hanaovana andrana amin’ny tanàna efatra ao anatin’ny distrikan’i Bekily: Besakoa, Ankaranabo Avaratra, Ambatosola ary Vohimanga ny fametrahana ny tanàna maitso.

Miaraka amin’ny Uni­cef izay vatsian’ny mpiray ombon’antoka maro ary anisany i Frantsa sy Pays-Bas andrana momba ny tanàna maitso tanterahina ao Bekily. Tolotra feno amin’ ny rano hosotroina, hambolena sy ho an’ny biby fiompy, fanadiovana sy fidiovana (EAH) no homena ny mpisitraka amin’ireo kaominina ireo ary ampianarina koa ny vahoaka amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Omena fahazavana ny tanàna amin’ny alalan’ny jiro azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro. Hizarana rano koa fa tolorana fitaovana entina mitsitsy ny rano misy ka ampiasaina ny fitaovana (goutte à goutte) fanondrahana ny voly. Ankoatra ireo, homena herinaratra ny CSB sy ny EPP ary hovatsiana “internet” ny tanàna ary tolorana “tablette” ny mpianatra sy ny mpanabe. Tokantrano 100 isaky ny tanàna no hahazo tombontsoa mivantana amin’ny tanàna maitso ary tanjona ny hanitatra azy amin’ny faritra hafa. Hojerena ny fahombiazan’ny tetikasa amin’ny tanàna efatra, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny sampana Wash ao amin’ny Unicef.

Famatsiana rano 100 ho an’ny fokontany

Tetikasa hafa iray efa miroso amin’izao fotoana izao ny famatsiana rano madio (Mus) fokontany iray ary tanterahina any Atsimon’ny Nosy ny ankamaroany. 100 no hatao ka ny 70 vatsian’ny banky iraisam-pirenena raha tohanan’ny USAID kosa ny 30 ambiny. 30%n’ny asa no efa tontosa amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ity teknisianina ity ihany. Ho an’ny faritra telo: Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana ny tetikasa satria iaraha-mahalala ny fahasahiranana amin’ny fahazoana rano hampiasaina any amin’ireo faritra ireo. Hamahana olana vonjy maika ho an’ny mponina ny Mus. Ny orinasa tsy miankina mpanatanteraka ny tetikasa ihany no mitantana azy. Hitondra vola 10 ka hatramin’ny 20% amin’ny tetibidin’ny asa ny mpandraharaha ka hamidy amin’ny vahoaka amin’ny sarany zakan’izy ireo ny rano. Voakasika ny rano hokirakiraIn’ny vahoaka, hosotroin’ny omby ary ampiasiana amin’ny fambolena.

Vonjy A.

Partager sur: