Vono olona-Andohalo: mpiandry « parking » efa nigadra, voasambotra

Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay vono olona teny Andoha­lo, ny asabotsy teo. Voasam­botra ny andron’io ihany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Tratra teo amin’ny toeram-piasany tsy lavitra ny nahitana ilay vatana mangatsiaka izy. Efa nigadra teny Antanimora ity lehilahy 45 taona ity. Ratsy fitondran-tena izy ary efa ikoizan’ny mponina eny amin’ny manodidina noho ny setrasetra ataony. Tsiahivina fa nisy trangana vono olona teny Andohalo, teny amin’ny lalana Rajoro Justin, ny zoma alina teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Lasibatra tamin’izany ny lehilahy iray natory an-dalana teo amina toerana fiantsonan’ny fiara eny an-toerana. Hitan’ ilay mpiandry “parking” izy ka noroahany hiala teo. Tsy nanaiky anefa ilay lehilahy ka raikitra ny disadisa. Mbola niezaka nitsoaka izy saingy nenjehin’ilay mpi­andry “parking” ihany. Nito­hy ny ady ka niafara tamin’ny fahafa­te­san’ilay raim-pianakaviana natory an-dalana izany. Ny marainan’io, hitan’ireo polisy miasa eny amin’ny boribo­rintany faharoa nitsirara teo ilay maty. Rapa­ra­pa rahateo ny tarehiny sady nihosin-dra tanteraka. Mpi­am­bina iray teny an-toerana no nahita azy ny alin’io saingy tsy naha­fantatra ny zava-nisy, hoy ny polisim-pirenena. Araka izany, tratra ilay mpiandry “parking”. Nambarany fa novonoiny tamin’ny lakile ilay raim-pianakavina. Na­taony tamin’ny totohondry izany ka niafara tamin’ny fahafatesany.

Henintsoa Hani

Partager sur: