“Manontany tena izahay Antoko Politika Madio (APM) hoe ho tratra ao anatin’ny telo volana izay fe-potoana anaovana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ve ny fanisana? Hatreto, maro ireo olana tsapa ara-bola sy ara-pitaovana, ao amin’ny Ceni”, hoy ny filoha lefitry ny APM, Andrianarimalala Heritiana. Tokony hotanterahina mangarahara izany, mba hisian’ny fifidianana madio amin’ny taona ho avy.
Mikasika ny fanisana mpifidy, 37.31% hatreto ireo olona voaisa tao anatin’ny roa volana, raha ny tatitra nataon’ny Ceni farany teo. « Mahagaga izany satria ho tratra ao anatin’ny iray volana farany ve ny 62 % ambiny amin’ny mpifidy», hoy hatrany izy. Mahatratra 13 tapitrisa ny isan’ny mpifidy enjehina amin’ity fanavaozana ity raha ny tatitra nataon’ny Ceni. “Tokony ireo 6 taptrisa tsy nifidy tamin’ny farany teo no entanina mba hifidy fa tsy hanenjika ity isa ity”, hoy ny antoko APM hatrany.
Ny antoko politika, ny fiangonana…
Mba hahazoana fifidianana madio sy mangarahara eto amin’ny firenena, soso-kevitr’izy ireo ny hametraka teknisiana hikirakira logiciel miaraka amin’ny Ceni. Aseho isaky ny fokontany ny fanisana vita na isan-kerinandro na isam-bolana. Ankoatra izay, mitaky fanalavana fe-potoana hanaovana fampielezan-kevitra izy ireo. “Takina ho herintaona izany mba afaka miresaka tsara amin’ny vahoaka ireo hilatsaka hofidina. Hialana amin’ny fisian’ny endrika kolikoly rehetra ny antony”, hoy izy ireo. Hazavaina imasom-bahoaka ny loharanom-bolan’ny kandidà iray mialoha sy mandritra ary ao anatin’ny fifidianana. Marihina fa efa naroso teny anivon’ny Ceni ireo soso-kevitra ireo fa tsy nahitana valiny hatramin’izao.
Mino ( Mpianatra Asa)