Nandray anjara tamin’ ny fikaonandoha lehibe ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra amerikanina sy afrikanina ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana. Ho an’ny omaly, nikasika ny habakabaka izay nampiseho ny fandalinana eo amin’ny ara-tsiansa sy ara-barotra eny ana habakabaka. Anisan’ny hahafahana mamaha olana eo amin’ny toetr’andro, ny ara-tsakafo izany ka hanana fomba fiaina mandray andraikitra amin’ny habakabaka ambonin’ny atmosfera. Hikarohana vahaolana eo amin’ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo ary hifanampian’ny firenena amerikanina sy afrikanina. Teo koa ny fivoriana niarahana tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny amerikanina, Antony Blinken, ny minisitry ny Fiarovana amerikanina, Samantha Power, ny mpitantana ny United State agency for international development (USAID) ary ireo filoham-pirenena mozambikanina, somalianina ary nizerianina niresahana ny momba ny fandriampahalemana ary ny fahaiza-mitantana. Nisy ny fifanaovan-tsonia momba ny fifanarahana “Artémis” nataon’i Nizeria sy Rwanda. Marihina fa ny fifanarahana “Artémis” dia fitsipika napetraka amin’ ny fikarohana atao amin’ny habakabaka izay mifototra amin’ny fifanarahana an’habakabaka nataony, ny taona 1967. Maro ireo firenena afrikanina miara-miasa amin’ireo ivotoerana manao fikarohana momba ny habakabaka ambonin’ny atmosfera. Anisan’ izany ny sampandraharahan’ ny habakabaka Rwanda sy ny Atlas Space Operations izay miara-miasa amin’ny fanaovana “teleport” sy ny “grande antenne satellite”. Eo koa ny “planet labs PBC” mampiasa vola manerana an’i Afrika miaraka amin’ireo mpandray anjara amin’ny famoahana sary avy amin’ny zanabolana.
Jean Claude