Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata lasa teo ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2022, tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara,
Isan’ny teboka misongadina ao amin’ity volavolan-dalàna ity ny fametrahana politikan’ny teny hoenti-mampianatra. Eo koa ny fanovana sy fanavaozana ny rafi-panabeazana, tsy maintsy mandalo eny amin’ny kilasy garabola mandritra ny taona iray manomboka amin’ny fahadimy taonany ny zaza madinika. Voarakitra ao ny fitsinjaran’ny fampianarana ankapobeny ho «sous-cycle» efatra, izay telo taona avy. Tsy maintsy lalovana misesy ireo ahafahana mamoaka «profils de sortie» isaky ny avy mahavita «sous-cycle”. Efa ampiharina amin’ izao taom-pianarana izao ny fitsinjarana ny tetiandrom-pampianarana ho roa volana dimy mandritra ny taom-pianarana iray raha natao ho isaky ny telo volana izy teo aloha. Voarakitra ao anatin’ity fanavaozana ity izany. Misongadina ao ny fametrahana vovonana ahafahana mifampidinika sy mifampizara amin’ ireo sekoly miahy tena.
Efa naneho ny ahiahiny momba ity fanavaozana ity ny sekoly miahy tena satria ambarany fa tsy nisy ny fankan-kevitra niarahana mialoha ny nanolorana izany holanian’ny andrim-panjakana mpanao lalàna roa.
Vonjy A.