Fianarantsoa : tratra ireo mpanao vola sandoka

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy telo, malaza amin’ny fanaparitahana vola sandoka sy famakiana trano mitam-piadiana, any Fiana­rantsoa, ny talata teo. Mari­hi­na fa anisan’ny toerana nahitana vola sandoka mivezivezy sy vaky trano tany an-toerana. Maro ny olona lasibatr’izany asa ratsy izany ka nitaraina teny anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana. Voalaza fa andian-jiolahy mitam-piadiana ireo manao asa ratsy ireo ka nampitaraina ny mponina raha ny tatitra voaray. Nidina ifotony nanao ny fisafoana sy fikarohana teny amin’ny tanàna rehetra ireo mpitandro filaminana taorian’izany. Vokany, tratra nangalatra ny lehilahy iray, ny talata maraina teo, notanana sy nohadihadiana teny amin’ny kaomisaria foibe izy io avy eo. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niaiky ny maha jiolahy azy izy ary nanonona anaran’olona roa manao izao asa ratsy izao. Nolazainy ta­min’ny mpitandro filaminana ny toerana sy ora andehanan’ireo namany ireo. Nanao ny paikady rehetra ny mpitandro filaminana ka voasambotra izy ireto ny alin’io andro io tamin’ny 9 ora. Nitohy ny famotorana azy ireo ka fantatra ny atidoha nikotrika izao asa ratsy izao, antsoina hoe “Ra-maitre”. Voalaza fa izy io avokoa no mpamoaka ny vola sandoka sy tompon’ny basy ampiasain’ireto jiolahy tratra ireto. Mitohy ny fikarohana ataon’ny FIP any Fia­narantsoa mikasika ity jiolahy raindahiny ity.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: