Hifarana, anio rehefa naharitra roa andro ny atrikasa iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina, tanterahana eny Ivandry . Niompanan’ny lohahevitra ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny lafiny politika. Nasaina niatrika izany teny an-toerana avokoa ireo solontena avy amin’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Ny mpisehatra politika, ny tsy miankina ary koa ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Nambaran’ny solontenan’ny UA eto amintsika, i Hawa Ahmed Youssouf fa ilaina ny fahaizana mitantana sy mandrindra ny krizy aty Afrika. Antony ahatongavan’ireo manampahizana avy amin’ny UA hizara traikefa eto amintsika izany. “Te hametraka mazava ny satan’ny demokrasia sy ny fifidianana ary fomba fitantanana izahay”, hoy ihany izy. Nanteriny fa mitaky andraikitra sy finiavana ny hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra izany, araka ny nambarany.
Tazana teny an-toerana ny sasany amin’ireo depiote, ny Tim sy ny MMM, ny Arema ary koa ny fikambanan’ny andriana. Teo koa solontenan’ny vehivavy avy amin’ny sehatra samihafa…
Synèse R.